FFPM 295 - Miorena mafy tsara

"Miorena mafy tsara" - Hira FFPM 295
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 295 - Miorena mafy tsara
1. Miorena mafy tsara
Amin’Ilay vatosoa
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa.
He! Ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa.
2. Raha misy fahoriana
‘Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
‘Zay omen’ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
‘Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao.
3. Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
‘Zay rehetra vitanao.
4. Ry Jesosy! hantajaho
‘Ty mpanolo-tenanao,
Miangavy, mitalaho,
Ka iteneno, Tompo ô!
Aoka re ho tena taho
‘Zay mikambana aminao,
Ka ny foko halalaho,
Diovy ho Tempolinao.
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер