FFPM 645 - Jesosy Kapiteninay

"Jesosy Kapiteninay" - Hira FFPM 645
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 645 - Jesosy Kapiteninay,
1. Jesosy Kapiteninay,
Izao miantso izao,
Hiady no ilàna anay
Ka zovy no hanao?
Izay mahafy hatraty,
Mahery fo tokoa
Ka tsy miraika hatrary,
Ireny no hanao.
2. Ny tany hotafihinay,
Izao tontolo izao;
Ny tafika hikatrohanay,
Tsy ady mora atao;
Ny ota no hasianay
Ho ringana avokoa
Ny tany no hasondrotray
Ho Paradisa soa.
3. Indreo, ny maritiora soa
No loha-làlanay,
Nalatsaka aina avokoa
Ka marika aminay.
Fandavan-tena lehibe
No vitan’izy ireo,
Hodian-tsy hita foana ve
lreo maritiora ireo?
4. Ry Jeso Kapiteninay!
lzao, anio izao
No anavaozanay indray
Ny fanompoana Anao
Atolotray Anao tokoa
Izao tenanay izao,
Ka hamasino avokoa
Hanao ny sitrakao.
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер