FFPM 348 - Andriamanitra tahio ny mihaino

"Andriamanitra tahio ny mihaino" - Hira FFPM 348
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 348 - Andriamanitra tahio ny mihaino
1. Andriamanitra
Tahio ny mihaino
Ny tsy manao vava-poana
Hahazo ny iriny.
Andriamanitra
Ho masoandrony;
Ka ny Fanahy Masina
Mpitari-dalana.
2. Ny Anaran’i Jeso
No voninahiny;
Ny hamarinan’i Kristy
No fihaingoany.
Tiavo Jesosy,
Ry mino ny teny!
Katsaho fihavanana,
Ry tsy mino rehetra!
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер