FFPM 224 - Tafavory izahay ka manatona Anao

"Tafavory izahay ka manatona Anao" - Hira FFPM 224
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 224 - Tafavory izahay ka manatona Anao
1. Tafavory izahay ka manatona Anao,
Zanahary nahary anay;
Ka mba raiso izao
Izahay zanakao;
Aza lavina re, izahay!
2. Tafavory izahay ka miantso Anao,
Ry Jesosy Mpamonjy anay;
Mihainoa, Tompo ô!
Mitenena izao,
Fa mitady Anao izahay!
3. Tafavory izahay ka miandry Anao,
Ry Fanahy Mpananatra anay;
Aidino ilay
Afonao fahizay,
Areheto aty aminay.
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер