FFPM 332 - Finaritra ny olonao

"Finaritra ny olonao" - Hira FFPM 332
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 332 - Finaritra ny olonao
1. Finaritra ny olonao
Jesosy Tompo ô,
Fa manana ny aim-baovao
Ka ravo eram-po !
Ny famonjena vitanao
Dia efa voaray izao,
Ny fifaliany aty
Hitohy hatrary !
2. Izaho va Jesosy ô,
Mba isan’ny Anao ?
Ny solika fitaizako
Moa misy va izao ?
Hevero ry fanahiko,
Ka aza mety afa-po
Ambara-pahafantatrao
Fa Jeso no anao !
Chœur Liturgique Ambatovinaky

Пікірлер