FFPM 502 - Finaritra ny vorona ao an’ala

"Finaritra ny vorona ao an’ala" - Hira FFPM 502
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 502 - Finaritra ny vorona ao an’ala
1. Finaritra ny vorona ao an’ala
Sy ao an-karam-bato avobe:
Na dia betsaka ny mpankahala
Mivonon-kahafaty azy re;
Matoky izy, tsy misalasala,
Fa manam-piarovan-dehibe,
2. Jesosy Tompoko no harambato
Sy ala mafy ikirizako;
Na mafy aza sady tsy miato
Izay ataon’ny fahavaloko,
Mamely ahy ary misahato,
Jesosy re no fiarovako.
3. Izay rehetra ta-hamely ahy,
Mikendry , nefa sasa-poana;
Izaho dia ravo am-panahy,
Tsy azony atao ahoana,
Fa misy manda manodidina ahy,
Izay miaro sy manohana.
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер