FFPM 102 - Reharehako ny hazo - Chœur Liturgique Ambatovinaky

"Reharehako ny hazo" - Hira FFPM 102
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 102 - Reharehako ny hazo
1. Reharehako ny hazo
Nijalian’i Kristy;
Manda fiarovana avo
lalofako aty.
2. Azon-doza maro aho,
Tery koa ny lalana;
Tsy ilaozan’i Jesosy
Mpanome fiadanana.
3. Raha lany re ny andro
Mampiadana indray.
Tsy hadinoko ny hazo
Nentin’ny Mpamonjinay.
4. Ny anjara aty an-tany
Tsy mba mahavesatra
Noho ny hazo fijalianao,
Hazo mahasambatra. Amen.
Chœur Liturgique Ambatovinaky

Пікірлер