FFPM 210 - Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao Version CHOEUR d'Homme

FFPM 210 - Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao
(Version CHOEUR d'Homme avec Pastora Eric Dewa Andrinirina)
Chœur Liturgique Ambatovinaky
1. Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao;
Tompo Andriamanitra ô!
Teny mahasoa, aina, hery koa
Mba ho an’izay manoa.
Fiv :
(Feo voalohany)
Iravoanay
Fa harena be
(Feo faharoa)
Soa tsy manam-paharoa
Ny fitsipikao
Iravoanay fa harena be
Sarobidy tsy hafoy
Izany didinao
(Feo rehetra)
Famonjena ho an’izay mandre
2. Maizana izahay, kely fantatray,
Nefa ao ny teninao:
Jiro sy fanilon’ny tongotray
Hankanesa Aminao
Iravoanay sns…
3. Raha alaim-panahy itony zanakao
Indro, ao ny teninao
Sabatry ny fo, hanoheranay
Ilay ratsy hatrizay
Iravoanay sns…
4. Fifalianay, odi-tahotray
Ny Baiboly taminao:
Avy ny manjo, nefa kosa, Ray
Ao tokoa ny tavanao
Iravoanay sns…
5. Ry Jesosy ô, Mpampianatray!
Maminay ny teninao;
Taomy izahay, mba hahaizanay
Hankato ny didinao
Iravoanay sns…

Пікірлер