FFPM 310 - Misy maro ao an tsaha mitaraina

"Misy maro ao an-tsaha mitaraina" - Hira FFPM 310
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 310 - Misy maro ao an-tsaha mitaraina
1. Misy maro ao an-tsaha mitaraina,
Ka ento ny Jiro mba hankao !
Tsy mba misy atoandro na maraina
Fa maizina re ny ao ;
Indro olo-maro be
No maniry mafy hoe :
Mba midina mankaty,
Itondray Baiboly re
Izy ireo fa ta handre
An’i Kristy Tompo soa !
Fiv : « Mandehana », hoy ny Tompo, « mandehana
Ho amin’izao tontolo izao ! »
Mitsangàna ary, eny, mitsangàna
Fa izy no homba anao !
2. Mandehana mba hitarika ny jamba,
Mba ampifalio ny ory fo ;
Ny mahantra ilazao fa misy lamba
Tsy miova, tsy mety lo ;
Jeso Mofon’aina soa
Sady Ranon’aina koa,
Asehoy ho hitany !
Tena Andriamanitra,
Tompo tao an-danitra,
Ambarao ho fantany !
« Mandehana », sns…
3. Mandehana hanatanjaka ny osa,
Omeo toky re ny ketraka ;
Ny anjaranao, ataovy ho tontosa
Ka aza dia reraka !
Mandehana ianao
Ka vitao ny asanao
Fa ny tambinao ary ;
Mbola any ihany re
ny handraisan-tamby be,
Dia rehefa tsy ety !
« Mandehana », sns…
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер