FFPM 268 - Jesosy no Mpiandry ny fiangonanay

"Jesosy no Mpiandry ny fiangonanay" - Hira FFPM 268
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 268 - Jesosy no Mpiandry ny fiangonanay
1. Jesosy no Mpiandry
Ny fiangonanay !
Ny feon’Izy irery
No feo fantatray
Ka tsy mba vala maro
Ny Fiangonanay :
Iray tsy hay zaraina
Tapahin-Tompo iray !
2. Iray no Vatolampy
Izay iorenanay,
Iray no Fehizoro
izay ikambananay,
Iray no Mofon’aina
Fihinanay ety,
Iray no antenaina
Ho azonay ary !
3. Tabain’ny hevi-diso
Kanefa mbola iray,
Ny saina tsy mitovy
Tsy mahazara anay !
Fisoko maromaro
Kanefa vala iray :
Ny Tompo no mpiaro
Ny Fiangonanay !
4. Ny teny samy hafa,
Ny fomba tsy miray
Tsy misy maharava
Ny fikambananay !
Ny fanenjehana aza
Vao mainka mampiray
Sy mahatsara laza
Ny fiangonanay !
5.Ry Jeso hatanjaho
Ny Fiangonanao ;
Ny fony halalaho
Mba hitoeranao !
Izay firaisan-tsaina
Miseho hatrety
Velomy hanan’aina
Hitohy hatrary !
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер