"Injany, misy feo!" - Hira FFPM 314

"Injany, misy feo!" - Hira FFPM 314
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 314 - Injany, misy feo!
1. Injany, misy feo!
Ka iza no tsy mandre?
Ry Kristiana, raiso
Adidy lehibe.
Manerana ny tany
Ny antso avo izao,
Ho an’i Jeso Tompo
Izao tontolo izao.
Mihobia
Sy mitoria.
Ny teny mahafaly
Izay voarainareo
Izao no tena fetra;
Ho an’i Jeso soa.
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.
2. Tsy ho antsika irery
Ny fahasoavam-be,
Fa ho an’ny olom-bery
Tsy an-kanavaka e!
Ny fiantran’ny Tompo
Tsy misy fetra, koa
Lazaonareo mpanompo
Lay fitiavan-tsoa.
Miasà.
Ka milazà
Ny teny mampionona
Mahafa-po;
Voarainareo ny baiko:
Ho an’i Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.
3. Ny Tompo no milaza:
“Andeha mitoria,”
Ka na dia sarotra aza
Ny asa, matokia;
Fa tsy mandeha irery
Izay mitondra soa,
Fa omban’Ilay Mahery
Ny irany tokoa,
Ka sahia
Dia mitoria
Ny famonjena lehibe
Voarainareo;
Voatsangana ny saina:
Ho an’I Jeso soa
Ny olona rehetra ho Azy
Avokoa.
4. Ry Tompo sy Mpanjaka!
Ampio ny olonao
Hanoa sy hanahaka
Ka hankalaza Anao,
Dia aoka hokendreny
lzay katsahinao.
Ka hahita famonjena
lzao rehetra izao,
Ry Tsitoha!
Mba manehoa
Ny hery mahagaga izay
Anananao:
Tongava mba hanjaka,
Ka angony avokoa
Ny olona navotanao,
Ry Tompo soa!
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер