FFPM 765 - Henoy ny antson’ny Tompo

"Henoy ny antson’ny Tompo" - Hira FFPM 765
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana
FFPM 765 - Henoy ny antson’ny Tompo
1. Henoy ny antson’ny Tompo:
Iza no ho irakay?
Vonon-kandeha sy hanompo
Hiasa an-tanihay?
Adidy sarotr’efaina
Asa mangetana re
Mety handritra ny aina
Iza no vonona e!
2. Tsy didy miendrika baiko
Nefa mahery tokoa;
Nanindry mafy ny saiko
Ny antsonao, Tompo soa.
Satriko lavina, anefa
Manery ahy hanoa,
Any am-po no miantefa
Ny ako, onjany koa.
3. lnty, ry Tompo malala
Izaho ho irakao,
Nofo ka misalasala
Raha toa tsy tohananao.
Ny foko omeo fahendrena
Hanao ny sitrakao,
Ny saiko mora mivena
Fenoy ny hasoavanao.
4. Vonona ka hamasino
Hanefa ny irakao,
Eny, ry Tompo, vimbino
Handia ny làlanao.
Sarotra nefa hataoko
Ny asa atolotrao,
Ny sitrapo dia hafoiko
Tohano ny herinao.
Chœur Liturgique Ambatovinaky

Пікірлер