FFPM 499 - Inona, re, no atakaloko

"Inona, re, no atakaloko" - Hira FFPM 499
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 499 - Inona, re, no atakaloko
499 - Inona, re, no atakaloko
1. Inona, re, no atakaloko,
An’i Jesosy Izay mpisoloko?
Ny zavatra izay ho simba va sy mora levona.
Raha mbola hazoniko ny To,
Ka tsy maty ny jiro ao am-po,
Jesosy tsy soloako, na inona nainona.
2. Indro, Jesosy no fiainako,
Izy no manda fiarovako;
Izaho efa maty, nefa novelominy indray,
Ka na dia mahantra aza aty,
Ka tsy mbola nafindra ho ary,
Jesosy no anjarako, ka ampy ahy re, izay.
3. O, ry Jesosy Tompo tsara ô!
Aza mamela ny fanahiko
Hisaraka aminao, fa tano aho ho mpanomponao.
Mba velomy ny fitiavako
Ka tohano ny fandehanako,
Mba hanarahako ny lalana izay nalehanao.
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер