FFPM 319 - Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô

"Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô!" - Hira FFPM 319
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 319 - Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô!
1. Mba iraho ny Fanahy
Ry Jesosy Tompo ô!
Mba hanampy sy hitahy
Ny mpiasa irakao.
Tany mafy no asaina,
Nefa kely izahay,
Marobe no tsy misaina,
Raha itorianay!
Tanteraho re ny toky,
lzay nomenao fahizay,
Ka mombà anay mpitory
Mandra-podimandrinay!
2. O, ry Masoandron’aina,
Hazavao ny namanay,
Mba fafazo andon’aina,
Fa efa toy ny tany hay;
Tapa-kazo no hajainy,
Ka tsy fantany ny To:
Feno aizina ny sainy,
Efa momoka sy lo;
Ny sikidy mahavery
No ataony solonao,
Sampy vato, hazo kely
No hajainy toa Anao.
3.vAverenonao ireny
Mba ho tonga olonao;
Tadiavo tsy ho very,
Raiso re, fa lovanao!
Entonao ny famonjena
Ka ovay ny fony izao;
Aoka hisy sesehena
Ny hanaiky ho Anao!
Dia hiova re ny tany
Ka hanjary lonaka,
Ary hisy voa mamy
lzay ho tena vokatra.
4 . Aoka re mba tsy ho rava
Ny mazava hitanay!
Mba handraso lalandava
Ny anjara-asanay.
Mba ho dera aman-daza
Ho Anao, ry Tomponay!
Hatanjaho ny mpiasa,
Dia tsy mba hety fay;
Aoka re ny olo-mino
Mba hamory ho Anao,
Ka hitombo be ny mpino
Hiandany Aminao.
Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

Пікірлер