Vonjeo ny Taninay - Tanora Masina Itaosy

1 -- Ray ô ! ampio izahay fa mizaka irery 'zao fiainana izao
Mifona raha nanilika Anao tsy hamerina intsony fa aza mandao
Hiezaka mba hanadio ary koa hanavao ny fo fanahinay
(Hanao) ho arak'izay tadiavinao mba ho mendrika Anao sy ny fitiavanao
Ny fihavananay sy ny fifankatiavanay
Nanjary ho fifandrafesana
Ref : (x 2)
VONJEO NY TANINAY fa mijaly
Vonjeo fa mijaly izahay
Tompo ô! mino manantena Anao izahay
Ô! Ô! Hanavao indray ity nosinay
2 -- Aza avela hifanoto na hisy antoko etsy sy eroa e!
Aleo hitambatra ho iray satria tsy misy hafa samy zanakao
Jereo anie fa mampahonena ireo mosarena sy ireo malahelo
Toa efa kivy ny tsy mahita ny anjara masoandrony hatramizay
Ny amin'izy ireny dia apetraka Aminao
'Zay Tompon'ny haren'ny taninay
Ref : (x 2)
Tonony sy feony : SDN
Raki-kira : Vol 3 (2004)

Пікірлер: 60

  • @fanjaramamonjisoa7511
    @fanjaramamonjisoa75118 жыл бұрын

    Hoy ny Tompo, fa raha ny oloko izay efa nantsoiko no ho tonga hanetry tena ,ary mba hibebaka dia ho avy hanasitrana ny taniny aho!Ny Ray ao ambony ilay be hindra fo anie anomé fahendrena ho an ny tsirairay avy ao @ io tanidrazana malala io! au Nom de Jésus christ!!!!

  • @yayachristine1988

    @yayachristine1988

    7 жыл бұрын

    Marina tokoa Ry Tompo malala fa mila ANAO ity firenenay ity aza avela irery izahay.

  • @mampiononacecilia8629
    @mampiononacecilia86297 жыл бұрын

    mahababo fo zah eky hira ty aiiiiii aronnn misaotra fa mahazo hery zah rah vao mihaino ity hira ity, sady ngoma an Gasikar ,Tongava Jesosy vonjeo ny taninay fa mijaly Amen

  • @lalaochababy1759
    @lalaochababy17592 жыл бұрын

    Vonjeo Tompo ny Tanindrazanay efa ho 62 taona katroka androany nahazoana fahaleovan- tena. Mba hiadana sy ho finaritra anie i Madagasikara malalanay. Amen!

  • @jeanbessonprosper8221
    @jeanbessonprosper82217 жыл бұрын

    Jesosy o tahio ny taninay! Miorena ,manjaka ao ianao Amen!Mankasitraka indrindra anareo Chorale tahian I Jesosy hatrany !!

  • @mariaharisoanirikoromaine5870
    @mariaharisoanirikoromaine58702 жыл бұрын

    Tsara be le hira le feo mahafinaritra be. Misaotra anareo 🙏🙏🙏🙏🙏❤❤🇲🇬🇲🇬🇲🇬

  • @hantasoafaustine9242
    @hantasoafaustine92425 жыл бұрын

    Mitombo talenta hatrany ,tohizo ny fitorina ankira .tahian Andriamanitra

  • @lalasoanirinarakotoarivelo776

    @lalasoanirinarakotoarivelo776

    5 жыл бұрын

    Tens mankasitraka aminy fo manontolo tokoa ry Tanora Masina a ,sendra ihany fa EFA taty aminay ianareo de tohizo hatrany fa tena mahery be izahay miheno anareo tahiny TOMPO daolo e

  • @ezditheclautilde465
    @ezditheclautilde4657 жыл бұрын

    Mifona raha nanilika anw aho Tompo ô ,, tena mifinaee fa ts hanerina itsony ee anao aho Madrakizay Tompo ô

  • @malalaranaivo3311
    @malalaranaivo3311 Жыл бұрын

    Ray ô ampio zahay fa miaraka irery izao fiainana2 izao..💕

  • @sanjimiraj1038
    @sanjimiraj10386 жыл бұрын

    Tompo ô mino sy manantena Anao izahay, hanavao indray ity Nosinay. AMEN

  • @valm-hz7vh
    @valm-hz7vh6 жыл бұрын

    Voninahitra ho an'Andriamanitra irery iany.misaotra tanora masina itaosy fa mampietsimpo...

  • @jean-lucrajaoferisson8973
    @jean-lucrajaoferisson8973 Жыл бұрын

    Tsara be ilay hira fiderana!! mankasitraka tompoko !

  • @mobileplus5243
    @mobileplus52434 жыл бұрын

    Ndriiiii mahatonga saina b ahy ity.hiranareo ity Misaotra nareo aho 😭😭😭😴😔🙏🙏🙏🙏🙏

  • @mamydieudonnemarcelandrian7151
    @mamydieudonnemarcelandrian71517 жыл бұрын

    Tompo ô, mino, manantena Anao zahay, hanavao, hitahy ty tany. Amen

  • @fanjamalalaramilandisoa6930
    @fanjamalalaramilandisoa69308 жыл бұрын

    Ho tanteraka tokoa anie izany! Mankasitraka Anareo o!

  • @harryrandria782
    @harryrandria7827 жыл бұрын

    vonjeo zahay jesosy kristy o

  • @rverou30
    @rverou3010 жыл бұрын

    tsara loatra izany hira izany. Mahefa be @asan'i Tompo ry reto a

  • @kiadyrakotonah5991
    @kiadyrakotonah59916 жыл бұрын

    tsara ty hira ty! Mila famonjena ity tanintsika ity fa tena mijaly!

  • @rabehnambinintsoa8801
    @rabehnambinintsoa88016 жыл бұрын

    Vonjeo ny taninay;ilain'ny firenena io hira io @ zao andro farany zao satria tena vavaka mihintsy

  • @randriamihajamanantsoa3859
    @randriamihajamanantsoa38597 жыл бұрын

    MIARA MIFONA AMINAO IZAHAY JESOSY TSY MISY TSY NANOTA TAMINAO SY TAMIN'ITY TANINAY ITY god bless dago GBD

  • @roserdzk788
    @roserdzk7886 жыл бұрын

    mino manantena ano tokoa zahay ry Tompo hamonjy ny taninay ao anatin'ny fahantrana lalina mba tsy ho tia tena ireo manana fa hahay hizara ireo tsy manana , ireo ory , ireo mijaly Amena amena...

  • @yayachristine1988
    @yayachristine19887 жыл бұрын

    Mankasitraka anareo FLM fa tena tsy misy na dia iray aza zay hira henoko ka tsy mampisento satria dia mitondra fisainana lavitra .

  • @norolalaorazanadrasoa7439
    @norolalaorazanadrasoa74398 жыл бұрын

    Marina izany Tompo ô fa tongan' ny Satana ny fifehezana eto amin'ny taninay

  • @narcisseakbaraly4946
    @narcisseakbaraly4946 Жыл бұрын

    Aameen Aameen 🙏🙏🙏

  • @cynthiaandrianasolo6859
    @cynthiaandrianasolo68596 жыл бұрын

    tsara daholo ,afa ihany oa le midera ,mamelombelona ny fanahy mila ho osa indraindray

  • @andriamasinorofitahiantsoa7021
    @andriamasinorofitahiantsoa70218 жыл бұрын

    Tsara koa iTy iray iTy an!

  • @eddyrandriana

    @eddyrandriana

    6 жыл бұрын

    Andriamasinoro Fitahiantsoa

  • @georgewilliamraherisoa1916
    @georgewilliamraherisoa191610 жыл бұрын

    tena mahfintra lay hira mazto reto ah

  • @victorienrandria6495
    @victorienrandria64957 жыл бұрын

    Amen!

  • @ainamandimby839
    @ainamandimby8397 жыл бұрын

    vonjeo ny taninay fa mijaly Jesosy!

  • @bacouli
    @bacouli6 жыл бұрын

    Mankasitraka o !

  • @bacouli
    @bacouli7 жыл бұрын

    Mino sy manantena Tompo fa ho vonjenao ny taninayMankasitraka ny mpihira , ny voninahitra ho an ' Andriamanitra irery iany !

  • @heriniainazo7176

    @heriniainazo7176

    6 жыл бұрын

    mlay be ilay hira,tiko be

  • @julesranaivoarisoa8413
    @julesranaivoarisoa84139 ай бұрын

    Amen

  • @rktangtinoh6092
    @rktangtinoh60926 жыл бұрын

    vonjeo ny taninay fa mijaly Tompo ô mino manantena Anao izahay hanavao indray ity nosinay 😢😢😢

  • @roselinesoamanoro926
    @roselinesoamanoro9265 жыл бұрын

    amen Jesosy oo

  • @rindrakoely
    @rindrakoely5 жыл бұрын

    mankasitraka o!

  • @NaroFiniavana-yc4vv
    @NaroFiniavana-yc4vv Жыл бұрын

    Afa ihany tanora masina itaosy derain fona tompo maefa b asan'ny tompo

  • @miarsvero8649
    @miarsvero86495 жыл бұрын

    Misaotra mizara. Mahamanina b. Eeeh.

  • @tahiryrandriamisaina9770
    @tahiryrandriamisaina97704 жыл бұрын

    Tsara ery ilay hira…..

  • @mioramiora7149
    @mioramiora71494 жыл бұрын

    Tsara tena tsara Mankasitraka anareo

  • @virdianemalala2798
    @virdianemalala27984 жыл бұрын

    tsara tena tsara ity hira ity mankasitraka indrindra

  • @jeannetteralison545
    @jeannetteralison5455 жыл бұрын

    Ray o! Ampio izahay fa Mijaly sy Mahantra. Mino anao izahay Andriamanitra ka aza avela ho irery toy izao Mba Mitalaho sy Mangataka aminao mba hahazo ny anjara masoandronay tsirairay avy Jesosy ô! Tsinjovy ireto Vahoakanao Zanakao Mba Henoy Ny Vavaka ho an'i Nosinay.

  • @rakotobeedmond1428
    @rakotobeedmond14287 жыл бұрын

    vojeo ny taninay

  • @aimeeara7446
    @aimeeara74467 жыл бұрын

    amen !

  • @ezithenandrasana5697
    @ezithenandrasana56976 жыл бұрын

    Misaotra ô ô

  • @andriamasinorofitahiantsoa7021
    @andriamasinorofitahiantsoa70218 жыл бұрын

    Oay, hitako tampoka Teo ny tonon'ity hiranareo iTy. Ary sao mba misy ny tonon'ireo clip Hafa ? Merci, tena Tiago daholo ny texte sy mélodie ny hiranareo. Mahereza !

  • @ravanomananaesther796
    @ravanomananaesther7964 жыл бұрын

    Tsara be NY arrangement Mendrika be lay feon Basse sy tenor👍 ao anatiny.,mivoaka be.NY soprano sy Alto EFA ts lazaina koa

  • @mariahaloma9767
    @mariahaloma97676 жыл бұрын

    vonjeo zay Tompo o

  • @sylvoalias
    @sylvoalias5 жыл бұрын

    VONJEO NY TANINAY fa mijaly Vonjeo fa mijaly izahay Tompo ô! mino manantena Anao izahay Ô! Ô! Hanavao indray ity nosinayAmen.

  • @zoesahondra7713
    @zoesahondra77133 жыл бұрын

    Makasitraka tompoko

  • @angelorajoharison3236
    @angelorajoharison32365 жыл бұрын

    tsar be leity hira ity

  • @nahranarimahefa2401
    @nahranarimahefa24013 жыл бұрын

    🥺🥰🙏

  • @floranyflorencia8653
    @floranyflorencia86536 жыл бұрын

    Tiako eee

  • @ninilokeli
    @ninilokeli9 жыл бұрын

    Manana originalité nareo!!!

  • @stephanierasoanaivo7677
    @stephanierasoanaivo76777 жыл бұрын

    tsara B

  • @elianerandrianarivelo3872
    @elianerandrianarivelo38722 жыл бұрын

    O

  • @gsm-akio5889
    @gsm-akio58897 жыл бұрын

    Sô de mba afaka mahazo playback an'io hira kay azafady fa mba hanao interpretation ??, raha mety tompoko misaotra indrindra