Tovo J'Hay - Tsy mbola nisy

Музыка

Tovo J'hay - Tsy mbola nisy aloha
Mifona aminao,
Mivalo aminao,
Manao azafady
Efa mba ela ihany izay
‘Zaho tsy mety fay
Nandika ‘lay voady
‘Reo laingalainga efa nisy
‘Reo ditra ‘zay tsy izy
Nanjary adiady
‘Reo teniteny maloto
Tsy nampazoto
Nampihenjana tady
Efa tsapako tokoa ireny
Efa ela aho no efa te hiteny
Fa tsy sahy nilaza
Fa sao voavazavaza
Nefa...
Ref:
Tsy mbola nisy tiako
Tsy mbola nisy foiko
Tsy mbola nisy mamiko
Mihoatra noho ianao
Ianao ilay faniriako
‘Zay miaina ao anaty foko
Tsy mbola misy aloha
Raha mbola hatramin’izao
Efa tonga ilay ora
K’avia manantona
Aza manahy
Ekeko fa tsy ho mora
Ny hanarina indray
‘Reo vita hatrizay
Angamba tsy vazivazy
Na hoe sangisangy
Matoa aho mbola tia
Efa vonona hiova
Tsy hanova ilay fitia
Izaho hanaja andry
Efa tsapako tokoa ireny
Efa ela aho no efa te hiteny
Fa tsy sahy nilaza
Fa sao voavazavaza
Nefa...
#malagasy #hira

Пікірлер: 1

  • @bloodimperium6518
    @bloodimperium6518 Жыл бұрын

    Ahh misoatra letsy !!! Je la cherche depuis 2005!!! 😊❤ La mémoire ! Merci youtube !