TETIK’ASA HIAKA | NISY FIFOFANANA NOMENA AN’IREO VEHIVAVY TANTSAHA

Nanampanao fiofanana hoan’ny vehivavy tantsaha izay naharitra hadimiana, natomboka ny Zoma 14 Jona ka tsy nifarana raha tsy ny Talata 18 Jona ny e-tafo. Fiofanana izay natao tetsy amin’ny amin’ny Centre Ivato Soa, etsy Ambatomainty, ao amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, Antananarivo
Fikambanam-behivavy misehatra amin’ny tontolo Ambanivohitra, avy amin’ny faritra 8 no mpandray anjara, ahitana an’Analamanga, Itasy, Haute Matsiatra, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Menabe ary Diana. 30 mirahavavy no isan’izy ireo
Ny zon'olombelona sy ny fiovaovan'ny toetr'andro no lohahevitra nodinihina nandritra ireo dimy andro niofanana ireo mba hanamafisana kokoa ny fahaiza-manaony.
Ny tanjonan’ny fiofanana dia ny hahafahan’izy ireo mitondra hetahetany amin’ny sehatra tandrify izany eto anivon’ny Firenena Malagasy , manoloana ireo fanamby maro atrehan’izy ireo, toy ny fanavakavahana sy ny tsy fisoloan-tena azy ireo eo amin’ny toerana mpandray fanapahan-kevitra ka hitondra anjara biriky lehibe amin'ny ady amin'ny fitovian-jo ho an'ny vehivavy any ambanivohitra manoloana ny fiovan'ny toetr'andro.
Tiana ny manamarika fa haharitra 20 volana ity tetikasa ity ary hifarana ny volana desambra 2025.
Fa raha hiverenana kely ny mahakasika ity fiofanana dia dia ny fikambanana e-TAFO (TAntsoroka ho Fampandrosoana ny mahaOlona) no tompon-kevitra sy nampanao fiofanana , amin’ny alalan’ny tetikasa HIAKA raha ny sampandraharaha Frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) sy ny CCFD-Terre Solidaire kosa nanao tantsoraka tamin’ny fanampiana ara-bola sy aram-pitaovana.
Nangonin 'Lay Mahintsy

Пікірлер: 1

  • @dinaravoniarilala6473
    @dinaravoniarilala6473Ай бұрын

    Bravo Femmes en Action Rurale de Madagascar