KIANJA BAREA MAHAMASINA MIROSO AMIN'NY DINGANA FAMARANANA NY ASA REHETRA

Kianja BAREA Mahamasina : Ao anatin’ny dingana famaranana ny asa rehetra
Iray volana lasa izay no nampitaina tamin’ny CAF ny sary sy horonantsary ary tatitra mahakasika ireo kianja handray ny lalao fifanintsinana ao anatin’ny fiadiana ho tompon-daka maneran-tany tokony hatao ny volana jona izao. Nahazo fankatoavana tamin’izany ny Kianja BAREA Mahamasina ho an’i Madagasikara izay efa vonona ny handray ny lalao voalohany eo an-toerana, na dia nisy aza ny fanapahan-kevitry ny CAF ny hanemorana ireo lalao rehetra ny volana septambra indray. Mitohy noho izany ny asa eo an-toerana izay efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny dingana famaranana ankehitriny.
Indro atolotra anao androany indray ny fandrosoan’ny asa amin’izao fotoana izao.
- Tribune : Vita avokoa ny fametrahana ireo seza ho an’ny mpijery amin’ny endrika nosafidiana manokana : misoratra BAREA amin’ny sisiny roa ary misary aloalo eo ampovoany. Manaraka ny fenitra takiana ny habe sy ny elanelan’ny seza. Eo an-dalam-pandrakofana ny couche d’étanchéité ho an’ireo tohatra lehibe roa mitondra ny mpijery ho amin’ny tribune ny orinasa.
- Gradins : Vita ny asa fandrakofana béton ny gradins fanampiny. Efa mandroso ankehitriny ny fametrahana seza amin’ny gradins ka atomboka amin’ireo gradins teo aloha izany izay efa vita fikarakarana manokana ihany koa.
- Kianja filalaovana : Nipetraka teo Mahamasina nanomboka tamin’ny volana martsa ny bozaka natoraly vonjimaika nomanina handraisana ny lalao voalohany tokony natao teo an-toerana. Noho ny fanemorana ny lalao ho amin’ny volana septambra indray dia niroso tamin’ny fanesorana ny bozaka vonjimaika ary ny fanomanana ny fambolena ny bozaka nafarana manokana hapetraka eo an-toerana ny tetikasa. Tsy very akory ny bozaka vonjimaika izay nesorina fa notaterina nafindra hanatsarana ny ny kianja filalaovana ao Alarobia izay iandraiketan’ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo Renivohitra.
- Fanazavana ny kianja : Projecteurs lehibe 3 amin’ireo 4 hipetraka ao an-toerana no efa mitsangana ankehitriny. Milanja 38T ny projecteur iray, 53m ny haavony, vy manokana avy any Amerika maharitra ary tsy mora harafesina no andry hijoroany. Misy projecteurs 100 avy isaky ny andry iray ary projecteurs fiandry 3 avy. Raha 1200 lux ny fahazavana ambany indrindra takian’ny fenitry ny CAF dia 2350 lux isaky ny projecteurs ny an’ny kianja BAREA. Mifandray avy hatrany amin’ny toeram-pibaikoana ny kianja ny câbles rehetra mamonjy ny projecteurs.
- Ecrans LED 2 lehibe no hipetraka amin’ny ilany roa amin’ny gradins ka ny iray amin’izany no efa vita ny fametrahana azy, ny iray kosa eo an-dalam-pamaranana ny support. Mirefy 19.2 m x 10.88m ny écran iray.
Ho an’ireo asa ivelan’ny kianja kosa dia manomboka amin’izao fotoana izao ny fametrahana ireo fefy vy manodidina hahafahana mitazana ny ao anatin’ny kianja, hanoloana ny tamboho be teo aloha. Mahazo endrika ny vavahady fidirana ao an-toerana ary mandroso ny asa fandrakofana pavés autobloquants en béton ny faritra fiantsonan’ny fiara. Efa mipetraka ihany koa ireo jiro manodidina hanazava sy hanome endrika sy loko samihafa ireo vy lehibe an-damosin’ny tribune ary mandroso ny asa fanamboarana ireo trano fivoahana lehibe ivelany 4 ho an’ny mpijery, manampy ireo ao anatiny.

Пікірлер: 5

  • @emmaallain4612
    @emmaallain46123 жыл бұрын

    Merci Président Andry Nirinarajoelina s'y ireo gouvernement izay tarihiny bravo alefa barea 👍👍🇲🇬

  • @mpampianatraravelomanana5855
    @mpampianatraravelomanana58553 жыл бұрын

    Milay e, mandroso hatrany isika, mba manana zava-baovao

  • @stalinenoel5425
    @stalinenoel54253 жыл бұрын

    Bjr mbola tsy vita tanteraka dia efa miisaotra sahady ny filoha satria mba tahaka ny firenena hafa rehetra i Madagascar mankasitraka mr le Président

  • @emmaallain4612
    @emmaallain46123 жыл бұрын

    Alefa barea Merci bravo

  • @gasymotivation1044
    @gasymotivation10443 жыл бұрын

    Mba atov Tonga any toponandraikitra fa b reo mpangalatra vy ka mila arovana n faritra manodidina n fanamboarana tompoko o...ts atory zareo ao