FFPM 498 - Ahy va Jesosy Tompon’aina

"Ahy va Jesosy Tompon’aina?" - Hira FFPM 498
Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana 🙂
FFPM 498 - Ahy va Jesosy Tompon’aina?
1. Ahy va Jesosy Tompon’aina?
Moa ahy va ny lanitra?
Eny, matokia ry fo sy saina,
Fa eken’Andriamanitra.
2. Eny, zokiko Jesosy Tompo,
Fahagagana lehibe ery,
Tsy antsoiny hoe mpanompo,
Fa ataony tena havany.
3. Toa mila hampisalasala
Io tena fahagagana io
Ary lavin’ny tsy mahalala
Nefa azon’ny finoako
4. O, mba mifalia, ry fanahy,
Fa anao Ilay Mpanavotra!
Ka misaora, aza mba manahy,
Fa ho azonao, ny lanitra.
5. Iombonana ny lova any,
Fa Iray ny Ray an-danitra!
Ka harena be dia be izany,
Hasambarana maharitra.
Chœur Liturgique Ambatovinaky

Пікірлер