Fankalazana 26 Jona teto amin'ny Kaominina Sabotsy Namehana

Natomboka tamin’ny fiderana an’Andriamanitra ny fankalazana ny faha 64 taona niverenan’ny fahaleovantena teto amin’ny Commune Sabotsy Namehana.
Izay notanterahina androany 24 Jona 2024, teto amin’ny Kianja HERSISETRA RAFANODINA.
Antokom-pihira, Mpihira aram-pilazantsara maro no tonga nanatanteraka ity fitoriana filazan-tsara an-kira ity.
Tonga nanotrona sy nanome vonihitra izao fotoam-piderana izao ny Ben’ny Tanana Avotraina Andriamosa, sy ny ankohonany, narahin’ireo Mpitantana eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Arahintsika ato anatin’ireto sary vitsivitsy ireto ny fizotr’izany fanompoam-pivavahana izany.
Araka ny fantatra, aorian’izao fotoam-pivavahana izao, dia hisy ny fampisehoana hiarahana amin’ny Tarika MALM sy Tarika ARIONE JOY, arahina fandefasana Afomanga lehibe, fiarahana mitotorebika mandra-maraina kosa no hatao aorin’izany, hafanain’ny Mpampandihy efa manana lazany eto amin’ny tanana.
Mirary fety sambatra ho antsika sahady ny Fiadidin’ny Tanana !!

Пікірлер