RATSANA FANANTENANA FJKM ITAOSY | NANATANTERAKA FANENTANANA

Nanatanteraka fanentanana amin’ny tsy fisotroana sy fandraisana zava-pisotro misy alikaola ary indrindra ny fanalavirana ny fidorohana ny zava-mahadomelina hoan’ny Mpamily fiarakodia sy mpisavika kodiaran-droa ny RATSANA FANANTENANA FJKM ITAOSY na ny Vokovokomanga izany. Fanentanana izay natao tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny.
Mitondra Fanazavana ny Filohan’ity Fikambanana ity, Andriamatoa RAHARISON John Andrianantenaina.
Fa araka ny voalazan’ireo hatrany, dia tsy hijanona ho vonjy tavan’andro ihany ity fanentanana ity fa ho hatao matetitetika, ary hisy mihintsy fandaharam-potoana mati-paika entina hanatanterahana izany.
Fantatra fa fiaraha-miasa matotra eo anivon’ny Borigadin’ny Zandary Mariampirenena eto Ambatomirahavavy sy Imeritsitosika ary ny Sampana vokovoko Manga eto anivon’ny FJKM Itaosy no angady nanana sy vy nahita izao hetsika tena ilain’ny Mpamily sy Mpanamory kodiaran-droa izao.

Пікірлер: 1

  • @nyh.gabriel
    @nyh.gabriel28 күн бұрын

    tokony tohizana fa toa vonjy tavan'andro tamin'iny andro iny ihany

Келесі