ZAHATANY 28 NOVEMBRE 2017 |CASCADE ANDRIAMAMOVOKY - MORAMANGA|

Sabotsy Anjiro, 78 km miala an'Antananarivo, 38 km miala an'i Moramanga. Toeram-pizahantany Andriamamovoky no tena ahafantarana ity toerana ity, rian-drano (cascade) manana haavo hatramin'ny 120 metatra.
Na dia azon'ny fiara aleha aza ny lalana tonga any, ny dia an-tongotra no safidy tsara no sady fanatanjahatena ho an'ny mpitsangatsangana. (Randonnée 8km)
Fikambanana KANTO (Kajiko Andriamamovoky Natiora Touristique ho an'Olona) no mitantanana an'Andriamamovoky hatramin'ny taona 2015, miara miasa amin'ny ORTALMA (Office Régional du Tourisme Alaotra Mangoro)
Sara-pidirana: 1 000Ar ny teratany vahiny, 500Ar ny Malagasy (droit d'entrée)
Saran'ny fitarihan-dia: 10 000Ar ny teratany vahiny, 1 000Ar ny Malagasy fa 500 Ar isan'olona raha mandeha amin'ny andiany (en groupe)
Isaoranay manokana ny Orinasa FANALAMANGA S.A sy ny Ort ALaotra-MAngoro Ortalma (Office Régional du Tourisme Alaotra Mangoro) ary ireo Mpandraharaha ara-pizahantany rehetra ao amin'ny faritra Mangoro nanampy anay tamin'ny fanatontosana ny fandaharana rehetra tao amin'ny faritra Mangoro.

Пікірлер: 1

  • @elisearthemise9881
    @elisearthemise98816 жыл бұрын

    Tsara be fa misaotra tompoko tena toerana fitsagatsaganana mahafinaritra ,misaotra ny mpizara

Келесі