ZAHATANY 30 SEPTEMBRE 2023 - PATRIMOINE MONDIAL DE l'UNESCO A MADAGASCAR

Tamin'ny taona 2001 no tafiditra tao anaty lisitry ny rafitra iraisam-pirenena mpiahy ny fampivoarana ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolontsaina na UNESCO ho harem-bakoka iraisana amin'izao tontolo izao ny rovan'Ambohimanga. Izy no harem-bakoka iraisana amin'izao tontolo tokana, sokajy kolotoraly eto Madagasikara araka ny soatoavina manokana sy tsy manam-paharoa maneran-tany mampiavaka azy na "valeur universelle exceptionnelle" ananany.
Harem-bakoka natoraly, manana roa i Madagasikara, ny taona 2007 no tafiditra tao anaty lisitry ny harem-bakoky ny UNESCO ny Ala Atsinanana. Valanjavaboaharim-pirenena 6 mitotaly velarana hatramin’ny 477 680 no tafiditra ao anatin’ny harem-bakoka Ala Atsinanana: Andohahela, 76 020Ha. Andringitra, 31 160Ha. Marojejy 55 500 ha, Masoala 210 000ha. Ranomafana 41 000ha. Zahamena 64 000Ha. Nanomboka ny taona 2010, dia nokilasian’ny UNESCO ho Harem-bakoka iraisana amin’izao tontolo izao miha marefo na miha tandindomin-doza ny Harem-bakoka natoraly Ala Atsinanana.
Tsingin’i Bemara ato Bekopaky, distrikan’Antsalova no nahazo sokajy harem-bakoka iraisana amin’izao tontolo izao voalohany tamin’ny taona 1990 teto Madagasikara.
Ny Tsingin’I Bemara dia vato sokay na calcaire noforonin'ny fôsily sy akorandriaka maty tany ambanin'ny ranomasina tany amin’ny 200 tapitrisa taona lasa, avy eo novolavolain'ny ranon'orana nandritra ny 5 tapitrisa taona hatramin’ny niforonan’ny endrika tazana aminy ankehitriny. Ny Tsingy dia anisan’ny toerana na na faritra voajanahary manaitra indrindra eto Madagasikara.
Manana karazam-biby 376, 833 zavamaniry. I Bemara no siniben-dranon’ny faritra iva manodidina azy hatrany Manambolomaty ka nisokajiana azy ho faritra mando eto Madagasikara.
Noho ny toetoetra ananan’I Bemara saika itovizany amin’ny faritra amin’ny ilany andrefana I Madagasikara dia Valan-javaboaharim-pirenena 5 no neken’ny Komity mpandinika ny harem-bakoka iraisana amni’izao tontolo izao handrafitra ny Ala Andrefana ao anatin’ny lisitry ny harem-bakoky ny UNESCO nandritra ny fivoriana faha 45 natao tany Ryiad Arabie Saoudite ny 10 - 25 septembre 2023.
734 298 hectares rehefa atambatra ny velaran’I Tsimanampesotse, Ala Mikea, Bemara, Ankarafantsika Valanjavaboaharim-pirenena sy Tahirin-javoboahary manokana - Reserve Spéciale Ankarana ary Analamerana tafiditra anatin’ny harem-bakokin’ny UNESCO iraisana amin’izao tontolo izao na Patrimoine Mondial de l’UNESCO ao amin’ny Ala Andrefana.
Reportage: LEMANA Elisée, Feno RANDRIAMALALA, Ghander Slim

Пікірлер