Anjara masoandro (Lyrics) - Tanora Masina Itaosy

Тәжірибелік нұсқаулар және стиль

Efa tena antomotra ny MISAOTRA AZY VITA BACC 2019 izay fisaorana an'Andriamanitra sy fiderana lehibe izay atao ao @ Palais des Sports Mahamasina ny alahady 27 octobre 2019 ho avy izao. Ity hira ity, izay ravahan'ny feon'i Rojo Ny Avo dia anisan'ny hira hiarahantsika miredona mafy @ io fotoana io.
ANJARA MASOANDRO
.
1° Tompo oh! Mitaraina Aminao izahay mpanomponao
Mba miangavy sy mitalaho
Mafy anie izao iainanay izao
Miandrandra Anao fa fotoanany izao itondranao fiainam-baovao
Ka ny ota mangeja anay mba vahao amin'ny Anaranao
.
Pont : Mba omeo 'zay ANJARA MASOANDRONAY izahay
Nofiko aninkeo ny ho tafita amin' izay
Jesosy oh! Mamelà ahy sy ny fireneko
Hitanao ny manjo anay
Kanefa ny sitrakao rehetra ekeko
Ampianaro aho mba hahay
Hiankina Aminao
.
Ref : Fa Ianao irery ihany no antenainay hamaly
Ny hataka sy fitalahonay Tompo Oh!
Na mandindona hatrany ny ratran'ny omaly
Sambatra aho fa manana Anao
Miatrika ady mahamay ankehitriny izahay
Nefa manam-panantenana aho Tompo oh!
Fa hiposaka indray 'lay masoandronay
Tsy maintsy mandresy izahay f'Ianao no miahy
.
2° Tompo oh! Hitanao avokoa
Ny adalana vitanay
Isanandro aho raha vao mifoha
Toa mitady hamerina indray
Fa ny Anao tsy maintsy arovanao manoloana izay hita izao
Izay mitarika anay hamitaka indray 'lay nahafoy ny Ainy ho anay
.
Pont : (...)
.
Ref : (... Tsy maintsy mandresy izahay
F' Ianao no miahy (Ianao Ray no mitantana anay)
Ny fiainanay (Tsisy ahiahy fa matok' izahay)
Mandrakizay (Vavaka iray no indro asandratray)
Ho anao sy ho ahy (Mandrakizay mila Anao 'zahay)

Пікірлер: 57

  • @ikonekta-nx6qn
    @ikonekta-nx6qnАй бұрын

    Otrany maheno ny feon'i Rojo Ny avo izany tsara be ilay midera an'i Jesosy

  • @franckyandriah144
    @franckyandriah144 Жыл бұрын

    Na dia tsy hitan'ny masontsika miharihary aza, tsapa sy henon'ny fo fa Andriamanitra tsy mba mpanome tsiny ny Tompon-tsika. Amin'ny fotoana rehetra, amin'ny ady faran'izay mety tsy ho zakan-tsika, amin'ny andro mahaory tanteraka antsika, Jesoa mihitsy no mbola misisika hatrany hatrany hitia antsika indray, ka hanavotra antsika anaty lavaka lalina. Hinoana araka izany fa tsy mba hamela ny zanany hiady irery Izy, araka ny teniny hoe : " homba anareo mandrakariva Aho ambarapahataperan'izao rehetra izao " . Tompo o, misaotra feno Anao izahay♥️

  • @aliderarivoharinjaka4300
    @aliderarivoharinjaka430010 ай бұрын

    "Mba omeo izay anjara masoandronay 'zahay!" Misaotra Tompo ô! Mankasitraka an'TMI e! Mitomboa be @ fahasoavana sy ny Talenta

  • @andriamihajavanessaprincy217
    @andriamihajavanessaprincy217 Жыл бұрын

    "Nofiko aninkeo, ny ho tafita amin'izay... Jesosy o, mamelà ahy sy ny fireneko..." Merci TMI, tiko loatra.

  • @razafinjoelinaando1608
    @razafinjoelinaando16082 жыл бұрын

    (....) Jesosy Ô ! (....) ampianaro aho mba ahay hiankina aminao !......sambatra aho fa manana Anao..... manam-panantenana aho....tsy maintsy mandresy izahay, fa Ianao no miahy. MIANDRY NY 24 OCTOBRE 2021 indray!

  • @user-ml1fx9bv8r
    @user-ml1fx9bv8r10 ай бұрын

    Misaotra anareo fa tena tsara be hira❤❤❤❤❤❤

  • @sahazaniainafanomezanjanah5273
    @sahazaniainafanomezanjanah52734 жыл бұрын

    tena niandry fatratra ny fivoahany ity hira ANJARA MASOANDRO ity aho, "Mba omeo izay anjara masoandronay izahay... ...Mamela ahy sy ny fireneko" Amen Mankasitraka eeeeh Mitomboa amin'ny fahatsarana isika rehetra,

  • @mialyrandria7852
    @mialyrandria785211 ай бұрын

    Na mandindona hatrany ny ratran'ny omaly ......❤❤❤❤

  • @arisoamichelle2063
    @arisoamichelle20632 жыл бұрын

    Voninahitra irery ho an'i Jéhovah tompo Andriamanitsika

  • @ratiarijaonamoelisoamalala7890
    @ratiarijaonamoelisoamalala78903 жыл бұрын

    Misaotra betsaka Jesosy matoky anao aho fa hiposaka n masoandrom-piainako

  • @ratiarijaonamoelisoamalala7890
    @ratiarijaonamoelisoamalala78903 жыл бұрын

    Sambatra aho Jesosy manana anao 🥰🥰🥰🥰

  • @berthemitrou1176
    @berthemitrou1176 Жыл бұрын

    TSY VERY MANDRESY IZAHAY FA IANAL NO MIAHY JESOA O 🙏🙏💖

  • @irinahm8944
    @irinahm89444 жыл бұрын

    Tompo o! Mamindra fo aminay, tahio ny Fanahy nay AMEN Misaotra anareo fa tena mampahery ❤️, na d aty antany lavitra aza d tena manohana anareo hatrany mahefa B amin ny asan Tompo

  • @nirinaraza337

    @nirinaraza337

    3 жыл бұрын

    Yen a bambara Osaka Mandanda angora mampahery

  • @June21013
    @June210134 ай бұрын

    Misaotra izay nanoratra ity tonombavaka ity! Ho tonga anie ny sitrapony🫶

  • @user-so6vd6mc9i
    @user-so6vd6mc9i11 ай бұрын

    Mety be amin' ilay fahorian' ny firenena

  • @faralahiheryandriamalala6140
    @faralahiheryandriamalala61404 жыл бұрын

    Ianao Ray no mitantana anay Ny fiainanay Tsisy ahiahy fa matok' izahay Mandrakizay Vavaka iray no indro asandratray Ho anao zahay Mandrakizay mila Anao 'zahay AMEN......

  • @faniriantsoamarinah
    @faniriantsoamarinah2 ай бұрын

    Misaotra nyvTMI e! Mitombo hery b e tahiny Jesosy daholi o

  • @sahazarakotondraibe6699
    @sahazarakotondraibe66994 жыл бұрын

    Miandrandra ny anjara masoandronay zahay nefa aok ny SitraKao no ho tanteraka Amen

  • @tojonainarandriamalala5934
    @tojonainarandriamalala59343 жыл бұрын

    Ampianaro aho mba hahay iankina Aminao Jeso

  • @juliarasolonirina9053
    @juliarasolonirina90533 жыл бұрын

    Tompo o! Vonjeo zahay 😭😭😭

  • @franckyandriah144
    @franckyandriah144 Жыл бұрын

    Mpamindra fo tokoa Jesosy.

  • @user-ml4xw1vn2e
    @user-ml4xw1vn2e9 ай бұрын

    mandrakizay MILANAO izahay misaotra Tompo

  • @nininaandrianandrasana5720
    @nininaandrianandrasana57204 жыл бұрын

    "Fa ny Anao tsy maintsy arovanao", misaotra Anao Andriamanitra.🙏🙏🙏

  • @rojojosefine479
    @rojojosefine4794 жыл бұрын

    Tsy maintsy mandresy izahay fa Ianao no Miahy Amen

  • @MiangotyRazaf
    @MiangotyRazafАй бұрын

    Tena tsara ny nanavaozany ny hira

  • @ms-servicems2185
    @ms-servicems21853 жыл бұрын

    Mba mangataka Ampifitia Raha ny fahalalako anao

  • @radourakotoarimanana6522
    @radourakotoarimanana65222 жыл бұрын

    "TSY MAINTSY MANDRESY IZAHAY SATRIA IANAO NO MIAHY"

  • @hatamalalaolivia7098
    @hatamalalaolivia70983 жыл бұрын

    Misaotra tanora masina itaosy mampihetsi mpo hiranareo tht nareo

  • @nahranarimahefa2401
    @nahranarimahefa24013 жыл бұрын

    Misaotra JESOA ♥️

  • @hantafaustina692
    @hantafaustina6922 жыл бұрын

    Mankasitraka indrindra Tompoko, tiako be daholo ny hiranareo. Bonjour de France

  • @rabemananjaranambinintsoa5442
    @rabemananjaranambinintsoa54424 жыл бұрын

    Fa ny Anao tsy maintsy arovanao..,Manoloana izao hita izao....,(Tena vavaka tsara)

  • @mekahranary532
    @mekahranary5323 жыл бұрын

    tiko lotra

  • @LalatianaFanantenanaRASO-gt9ok
    @LalatianaFanantenanaRASO-gt9ok Жыл бұрын

    ten tsar le hir a

  • @ravakahenintsoarakotoarino1715
    @ravakahenintsoarakotoarino17154 жыл бұрын

    Tompo o mamindra fo amin'ity firenenay ity. Tiako loatra Misaotra indrindra

  • @delordheryrakotoarisoa6445
    @delordheryrakotoarisoa64454 жыл бұрын

    Misaotra indrindra fa mampahery e!

  • @ranjanirina
    @ranjanirina4 жыл бұрын

    Mankasitraka betsaka fa tena misy aina ny hiranareo sady mampiaina ... misaotra fa masina tokoa ny anarana nomen'ny Tompo dia tanteraka izany ! mirary soa fa ho marina@ ireo olona rehetra, indrindra fa izay nalaina sary t@ zao sary miaina izao ity hira ity! Indrindra fa ho ahy ;) Amen

  • @tatamoniainaandrinirina6178
    @tatamoniainaandrinirina61782 жыл бұрын

    ndriiii, tsara loatra

  • @rijacarpaye1710
    @rijacarpaye17104 жыл бұрын

    TOMPO O OMEO ANAY NY ANJARA MASOANDRO NAY

  • @rotaranavalonatinaramahefa3869
    @rotaranavalonatinaramahefa38692 жыл бұрын

    Hiram-bavaka tsara be!!!

  • @olgaraharimina5684
    @olgaraharimina5684 Жыл бұрын

    Misaotra e!

  • @nirinaraza337
    @nirinaraza3373 жыл бұрын

    Yen a tsarine Lamy hira

  • @nathyrkt4383
    @nathyrkt43834 жыл бұрын

    Makasitra ooo

  • @joelrandria6704
    @joelrandria67044 жыл бұрын

    💖

  • @anjaranomena2540
    @anjaranomena25404 жыл бұрын

    Tompo ô mamindra fo ny firenenay

  • @tanyarakoto6469
    @tanyarakoto64693 жыл бұрын

    Tsara ity Hira ity a

  • @arlinehaingominarisoa806
    @arlinehaingominarisoa8064 жыл бұрын

    Miandrandra anao fa fotoanany izao hitondranao fiainam-baovao!tsara be ilay hira!mankasitraka ny mpamorona azy o

  • @mirantsoarajaonarivelo9610
    @mirantsoarajaonarivelo96103 жыл бұрын

    Tsara be ooooh ❤️❤️❤️🥺

  • @nirinaraza337
    @nirinaraza3373 жыл бұрын

    Mitarai

  • @miharisoarandria6660
    @miharisoarandria66603 жыл бұрын

    ❤️❤️❤️❤️😇😇😇

  • @Rhen-12
    @Rhen-123 жыл бұрын

    Tsara ilay ira

  • @nirinaraza337
    @nirinaraza3373 жыл бұрын

    Eden vaovao

  • @nirinaraza337

    @nirinaraza337

    3 жыл бұрын

    Ska kia

  • @saraharabozyvelonandrasana1782
    @saraharabozyvelonandrasana17823 жыл бұрын

    Misaotra tompoko ô

  • @rantonantenainarazafindrak6439
    @rantonantenainarazafindrak64393 жыл бұрын

    Tsara

  • @enricoely668
    @enricoely6684 жыл бұрын

    J'imagine que vous n'avez pas demandé au personne (comme les dames qui fouille les poubelles) la permition de les filmer et de le diffuser sur internet ?

  • @enricoely668

    @enricoely668

    4 жыл бұрын

    Bein non, c'est une vidéo pour le seigneur, donc on a pas besoin. Ou parce que c'est des petits malgache et ils n'ont rien à dire.

Келесі