Tompo ô mangovitra ny vava / Tsy mendrika izahay

👉🎁 • NY TOLOTRAO NO TENA FI...
1- Tompo ô, mangovitra ny vava, ary koa vahotra ny lela,
Tojo ity 'lay andro iray nokasainay hatry ny ela.
Tsy izahay no hendry indrindra, na koa mba mahay!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)
Tompo ô! Tafahoatra ny fitiavanao anay!
Kristy ô! tsy toy izany no nitiavanay anao
Tompo ô! mamindra fo aminay, fa zandrinao izahay.
2- Kristy ô! niaritra mangidy ianao nitia anay tety.
Izahay tsy mba nahay nanaja ilay fitia;
Fanantenanay ianao ka tsy mba miahiahy!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)
Tompo ô! Tena fitiavana, mafy orina tokoa ny Anao
Tsy mihontsina mihitsy n'inon'inona atao.
Izahay 'zay fo vato no indro tonga indray!
Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay ( x 2)

Пікірлер: 32

  • @mirananatachaharinivo9200
    @mirananatachaharinivo92002 жыл бұрын

    Mandria am-piadanana Mompera. Ny soa navelanao anie hampibebaka ny mpanota rehetra mbola eto am-piadiana amin'ity fiainana mandalo ity

  • @pauletteriviere5178

    @pauletteriviere5178

    3 ай бұрын

    Zanako izy mitomany fona za le PADRE AUGUSTIN ❤❤❤❤

  • @heryghr524
    @heryghr5242 жыл бұрын

    Tompo ô Mangovitra ny vava ary vahotra ny lela! misaotra anao Jesoa nanomezanao anay an'i Pr Augustin, andriam-piadanana anie ny fanahiny , tsy hafaka am-ponay ny anatra, fanabeazana, ny soa rehetra nataonao anay !

  • @StephaneDesire2
    @StephaneDesire222 күн бұрын

    👍🏾👍🏾👍🏾 Merci 🙏🏾

  • @marienoelineravololoniaina
    @marienoelineravololoniaina26 күн бұрын

    Misaotra e! Tiago be lay hira fifonana. Ny tonony ny gadonany.

  • @daddsam2362
    @daddsam23622 жыл бұрын

    Tsara be io hira fifonana io ary mandria amppihadanana anie ny fanahinao Mômpera Augustin, ny hiranao sy ny feonao dia mitoetra lalandava amponay sy eto amin' ity nosin-tsika izay mila fiadanampo!!! mino izahay fa ianao dia tsy mitsahatra ny mivavaka ho anay any andanitra any!

  • @adoreeraharivelo9333

    @adoreeraharivelo9333

    Жыл бұрын

    Tenatsara mankasitraka

  • @luciennehoareau2354
    @luciennehoareau2354Ай бұрын

    Paix à son âme ,Mamindra fo aminay Tompo ô❤🙏

  • @morgane1338
    @morgane1338 Жыл бұрын

    Père Augustin mandria ampiadanana dia ny anjeliny Tompo anie mitsena anao koa misaotra ny soa vitanao tety antany🙏❤️

  • @anjaramamyrakotoarimanana7353
    @anjaramamyrakotoarimanana7353 Жыл бұрын

    Misaotra betsaka mompera,,, fiadanana ho anao

  • @haingonirinaratsimiseta4753
    @haingonirinaratsimiseta47532 жыл бұрын

    💞💞 Mandria ampiadanana Mopera Augustin 🙏

  • @aureliarakotonirina8227

    @aureliarakotonirina8227

    Жыл бұрын

    Hay ve efa nodimandry izy :'(

  • @perlinerasoanandrasana8139

    @perlinerasoanandrasana8139

    Жыл бұрын

    Oui il est succombé par le covid

  • @misainachrisnhah1569
    @misainachrisnhah15694 ай бұрын

    Repose en paix Mompera, tsy adinoko fa ao andohako ao foana ny feonao, misaotra tamin'ny vitanao sy ny nahavitako ny batemin-janako

  • @sylviaandriambololona9137
    @sylviaandriambololona9137 Жыл бұрын

    Misaotra vavaka hira katôlika tena tsara

  • @victorinerasoamampionona
    @victorinerasoamampionona Жыл бұрын

    Mandria ampiadanana père Augustin 🙏

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 Жыл бұрын

    Mamindra fo

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 Жыл бұрын

    Mamindra aminay zandrinao Kristy o. Amen

  • @user-uv8ly2kf3o
    @user-uv8ly2kf3o9 ай бұрын

    Mamindrafo aminay ry Tompo❤❤🥺

  • @hantarajoelisolo3148
    @hantarajoelisolo31482 жыл бұрын

    Ary betsaka ny hira katolika vaovao .

  • @jennyannienantenantsoa9748
    @jennyannienantenantsoa97482 жыл бұрын

    Père Augustin tsy ho hay adinoina!! ❤

  • @perlinerasoanandrasana8139
    @perlinerasoanandrasana8139 Жыл бұрын

    Repose en paix Père

  • @mariejuliefranciarasoamamp8892
    @mariejuliefranciarasoamamp88923 ай бұрын

    Amen🙏🏻🙏🏻🥰

  • @angelinerazanamasy7257
    @angelinerazanamasy7257 Жыл бұрын

    TOMPO Ô! Tafahoatra NY fitiavanao anay AMÈN 🙏🙏🙏♥️ misaotra mankasitraka indrindra tompoko 🙏

  • @marieclarisseaugereau7629
    @marieclarisseaugereau7629 Жыл бұрын

    Mandria am-piadanana père Augustin 🙏🙏

  • @isabelleflorine5219
    @isabelleflorine5219 Жыл бұрын

    Repose en paix père Augustin ao amponay foana ianao sy ny hafatramasina nampitanao taminay

  • @annysantatriniaina8157
    @annysantatriniaina81579 ай бұрын

    TOMPO Ô ! Mamindra fo aminay🙏🙏❤️

  • @tokyramahandrinoro9638
    @tokyramahandrinoro9638 Жыл бұрын

    repose en paix môpera 😪😪😪

  • @paulinetsiky6238
    @paulinetsiky623810 ай бұрын

    Kanto loatra an

  • @fararatovoarinoro6689
    @fararatovoarinoro6689 Жыл бұрын

    👍👍🙏🙏❤

  • @samuelaimeandriambololona7850
    @samuelaimeandriambololona78502 жыл бұрын

    Tompo ô! Tena fitiavana, mafy orina tokoa ny Anao,Tsy mihontsina mihitsy n'inon'inona atao. Izahay 'zay fo vato no indro tonga indray! Ka te hilaza hoe tsy mendrika izahay 🙏👍👍

  • @villafitiavana8351
    @villafitiavana83515 ай бұрын

    Tompo o mamindra fo aminao Fa zandrinao izahay