ROVAN’I MADAGASIKARA : TANDINDON’NY LASA, ENDRIKY NY ANKEHITRINY ARY TARATRY NY HO AVIN’NY FIRENENA

06 novambra 2020: Tafatsangana indray ny lapan’i Besakana sy Manjakamiadana ankehitriny. Lapa ao Anatirova izay anisan’ireo kilan’ny afo, lasa lavenona, nampirotsa-dranomaso ny malagasy rehetra 25 taona lasa izay. Tanteraka arak’izany ny velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny malagasy, dia ny famitàna ny fanarenana ny Rova, sy ny fanomezan-danja vakoka sy ny kolontsaina malagasy. Ny Rovan’Antananarivo teo aloha fa Rovan’ny Madagasikara kosa no fiantsoana azy manomboka izao dia hampiaina indray ny tantara-pirenena ary hampiantrano ireo harem-bako-pirenena ary hanokatra ny varavarany mba ho afaka ho tsidihin’ny rehetra alohan’ny fankalazana fetin’ny noely 2020.

Пікірлер: 36

  • @fezamadatsara5907
    @fezamadatsara59073 жыл бұрын

    Misaotra anao amAndrimanaitro , fa mba misy zavatra mahafaly ny Malagasy taminy taona 2020

  • @soamalala5857
    @soamalala58573 жыл бұрын

    Lapan tanàna .lapan Imanjakamiadana:vita soamantsara😍misaotra andriamatoa filoha ,ts azo odiantsi hita kosa zao e,mankasitraka tompoko o❤

  • @praz2683
    @praz26833 жыл бұрын

    Mendri-pankasitrahana ny asa vita. Tena mahafinaritra. Ry Malagasy mpiray tanindrazana: kolokoloy ny harenatsika, omeo lanja ny vakoka, ento mitsidika ireny toerana ireny ny ankizy, ampahafantaro azy ireo ny tantaran'ny fireneny.

  • @ginawhelan9988
    @ginawhelan99883 жыл бұрын

    Arovy tsara mba tsy hisy andoro intsony

  • @babarycharlie8495
    @babarycharlie8495 Жыл бұрын

    Misaotra Andriamatoa Filoha

  • @rajomamarieadeline513
    @rajomamarieadeline5133 жыл бұрын

    ISAORANA ANIE ANDRIAMANITRA! ho ela velona anie Madagasikara

  • @nalisoarajerison2172
    @nalisoarajerison21723 жыл бұрын

    kanto ery izy izany!misaotra ny fitondram-panajakana ankehitriny tamin'ny finiavany hanarina indray ity Rova izay nodoran'ireo tsy mataho-tody. Ary mila harovana tsara fa misy ireo tsy faly amin'izao.

  • @hubertrandriamaholy4543
    @hubertrandriamaholy45433 жыл бұрын

    Très satisfait

  • @assurjulio1572
    @assurjulio15723 жыл бұрын

    Misaotra anareo izay nanarina ny Rova mankasitraka Izahay no anisany tsy nahita azy io fahiny .Tohizo fa tsara

  • @judithsofia4627
    @judithsofia46273 жыл бұрын

    Collesium, Hopitaly manara-penitra, lapan'ny tanàna Antananarivo, Rova, efa miainga any koa Tanamasoandro, manginy fotsiny ireo lalana vita, .....ROSO ISIKA E

  • @herilalainafa5357
    @herilalainafa53573 жыл бұрын

    Mankasitraka anao Atoa filoha ANDRY Rajoelina ,raha tsy teo ianao sy ny TOMPO mbola nampiasa anao tsy tanteraka io

  • @rasoa82
    @rasoa823 жыл бұрын

    Mankasitraka indrindra andriamato filoha a ianao no tena tia tanindrazana tahin'ny tompo e

  • @juliemaillot6491
    @juliemaillot64913 жыл бұрын

    Mahafinaritra ,mankasitraka président Rovan'i Madagascar 🙏🙏👍

  • @niainaclaudine2961
    @niainaclaudine29613 жыл бұрын

    MANKASITRAKA E !!!

  • @fanantenanasarobidy5422
    @fanantenanasarobidy54223 жыл бұрын

    Mankasitraka anao Andriamatoa filoha Andry Rajoelina, tena velona ao am-po indray ny fitiavan-tanindrazana amin'ny ohatra rehetra omenao hatrany . Tafatsangana indray ny Rovan'i Madagasikara izay taratry ny fikarakarana marina ny Firenentsika , miaraka amin'ny fikarakarana rehetra hafa . Mankatelina Tompoko

  • @noelvivian5432
    @noelvivian54323 жыл бұрын

    Mankasitraka Mr le Président isika tsy naman ny mihemotra fa mahereza hatrany ary ny mpamingana tsy avy ao aloha no misy azy fa avy ao aoriana hatrany no manenjika koa dia mirary soa hatrany anao mba hirosoan ity Madagasikara mamintsika ity

  • @rijasonfenohery9055
    @rijasonfenohery90553 жыл бұрын

    Misaotra ny filoha Andry Rajoelina namelina indray ilay ambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana tao am-pon'ny malagasy ka nahavita sy nanarina indray ny Rovavan'i Madagasikara.

  • @gasyonevision744
    @gasyonevision7443 жыл бұрын

    Vita izy izao ary misaotra anao President nitarika ary namita azy izao, maro ireo misintona miverina fa kosa rehefa mampandroso dia izay no zavadehibe

  • @rakatavoanjo8681
    @rakatavoanjo86813 жыл бұрын

    Salama daholo tompoko, a driamatoa filoha iangaviako indrindra ré tompoko ra toa ka mba afaka ianao manala ny kiraro rehefa miditra amin ireo toerana vakoka ireo misaotra indrindra tompoko.

  • @rakatavoanjo8681

    @rakatavoanjo8681

    3 жыл бұрын

    Indrindra ilay besakana, trano haja, trano hazo.

  • @bellehirnuca9740
    @bellehirnuca97403 ай бұрын

    Tsy reraka v mitazona aniny helo iny e ?

  • @yvesratsimbazafy5161
    @yvesratsimbazafy516110 ай бұрын

    Tsisy zavatra vita gasy mintsy ny 1o anaty n’ilay lapa fa lova tamin’ny anglisy sy ny frantsay

  • @ginawhelan9988
    @ginawhelan99883 жыл бұрын

    👏👏👏

  • @sendramilanja551
    @sendramilanja551 Жыл бұрын

    Misaotra indrindra ny Filoha Andry RAJOELINA mivady nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ka nahatsangana sy nahavita namerina amin'ny laoniny ny Rovan'i Manjakamiadana sy anatirova iray manontolo fa tsy vitan'ny olona tsy manam-pitiavana sy finiavana tokoa ny asa lehibe natao tety

  • @yvesratsimbazafy5161
    @yvesratsimbazafy51619 ай бұрын

    Hafa ihany ilay rova taloha , tsisy itovizany mihintsy

  • @rogerroger7163
    @rogerroger71633 жыл бұрын

    Tsara é ! Mankasitraka é

  • @rivoandriason4243
    @rivoandriason42433 жыл бұрын

    ELA NY ELA NDAO AROVANA TOKOA ARAKY ZANY HAFATRA IZANY RE NY ROVA ZAY VAKOKA NAMPAMIRAPIRTRA AN'I MADAGASIKARA NA MBOLA MISY AZA NY TOKONY HARENINA DIA RAISO IZANY TENY FITIAVANA IZANY KOA RY MALAGASY REHETRA !MIVERINA MITRAKA MALAGASY AMIZAOI ASA NIARANANAO IZAO !HO TOY IZAO DAHOLLO ANIE NY FANARENANA REHETRA DIA TSY HO MITSANGA MENATRA INTSONY I MADAGASIKARA HOELA VELONA I MADAGASIKARA ARY REHAREHA INDRAY HO AN'NY ANDRIANA MERINA

  • @gabrielleamd3966
    @gabrielleamd39663 жыл бұрын

    🙏♥️🍀🇲🇬

  • @judithsofia4627
    @judithsofia46273 жыл бұрын

    Misaotra ny Tompo, Misaotra an ' Andriamatoa filoha, Mankasitraka. Na sarotra ny lalana aleha, tsy mahasakana antsika tsy handea. . . . . . Roso isika e.!

  • @razanakotoleonid4645
    @razanakotoleonid46453 жыл бұрын

    Masosotrabe koa prinssece nareo Efa zafi elabe Mitovy hiany isika aza pesypesy eo

  • @betsyadala
    @betsyadala3 жыл бұрын

    Bravo 👏👏👏

  • @rakotonirinanoelson7411
    @rakotonirinanoelson74113 жыл бұрын

    Mankasitraka an' Andriamatoa Filoha hajaina sy ianareo rehetra nikarakara ka nahatafaverina indray izao lapa manan-tantara izao. Ny irariana dia mba ho samy hiezaka hamerina ny hasintsika isika ka handala mandrankariva ny fihavanana sy ny Firaisan-kina ary ny fahalalam-pomba izay tena nanamarika antsika hatramin'izay. Tokony averina amin'izay ny kolo-tsaina rehetra izay mitady ho very ary tokony hiezahina ny hitenenana ny fiteny Malagasy ranoray, satria maro amintsika Malagasy ny mahatsiaro menatra rehefa miteny Gasy.

  • @lalarafalinjatovoson1697
    @lalarafalinjatovoson16973 жыл бұрын

    mankasitraka amin'ny ezaka Fa ny 06 Novambra 1995 moa izy io no may sa volana aogositra izy zay???

  • @ngedabe2515
    @ngedabe25153 жыл бұрын

    Princesse aah ! Volam-Bahoaka no Nampijoro indray an'i Manjamiadana faha tsy i Rajoelina, Ravalomanana piasam-bahoaka no nanantanteraka an'izany fotsiny, fisaorana sisa noho Hatolotran'izieo. Ny Andrianatompokindrindra mba fahafiry aminy Laharah"Andriana moa ianao milaza faha Solon-tenany Andriana. Azafady Tompoko lavin'izireo izany. Masina ny Tanindazana Madagascar.

  • @ym.4699
    @ym.46993 жыл бұрын

    Ireo antennes mameno ahaiky eo ve mba hafaka esorina teo fa tsy esthétique mihintsy fa horera ? Misaotra tompoko.

  • @stephanetiana4834
    @stephanetiana48343 жыл бұрын

    Moderna loatra kosa eh... Somary very sy nampandeferina ilay "authenticité" tao anatin'ilay fanarenana mba ho fiantana amin'ny fisaina tandrefana loatra. Angamba koa anefa fa raha ny rariny sy ny hitsiny (izay tsy ampy eo anivon'ny sy manoloana ny firenena an-dalam-pandrosoana toy i Madagasikara) dia tokony ho teny Gasy no omem-boninahitra amin'ilay fampiratiana. Mahazendana manko ilay mahita fa tonga teny Frantsay no tonga dia hita voalohany eo ("Aperçu Général" moa izy teo? Tsy tadidiko) hany ka mbola hampandeferina foana ve ilay tenin-drazantsika? Ka raha mba misy mahita ity, mba miangavy hijery izay akaiky. Ankohatr'izay dia tsy haiko kosa ny tsy hankasitraka sy hisaotra ary hiarahaba ny fahavitan'izao fa efa ezaka be.