MINAE - AFRICA RICE : ANDRO NATOKANA HO AN'NY "Field Day"

MINAE-AFRICA RICE: ANDRO NATOKANA HO AN'NY "Field Day"
✔ Field day, fotoana iray nidinana ifotony nijerena ireo tahalaka nisy ireo vala fanaovana andrana sy valim-pikarohana nataon'ireompikaroka teo anivon'ny "AfricaRice" izay nanasana ireo tantsaha, sy mpikaroka eo anivon'ny FOFIFA, SOC ary ny MINAE.
🌾Anisan'ny Firenena ahitana hain-tany sy tondra-drano betsaka i Madagasikara, isan'ny olana lehibe sedrain'ny famokarana vary izany. Izany indrindra no nahatonga ny "Africa Rice" nanao ny andrana sy fikarohana momban'ireo karazam-bary izay mahazaka ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo.
👉Nisy araka izany ny fitsidihana ireo tanimbary izay mirefy 2 Ha nanaovana fanandramana, ny 07 Jona 2024 tao Andranovaky Mahitsy, izay fiaraha-miasa amin'ny FOFIFa sy SOC.
✔Nisy ihany koa fitsidihana ireo efitrano fikarohana masomboly sy trano fitehirizana. Ary nofaranana tamin'ny dinidinika sy fanomezana mari-pahatsiarovana ireo mpiasa misotro ronono ny andro.
🌾Noho izany dia hanome fampiofanana ireo tantsaha amin'ny famoahana sy fitsirihana ireo masomboly ny eo anivon'ny SOC sy ny FOFIFA.
✔Marihina fa anisan'ireo Firenena 24 misehatra ao anatin'ny "Africa rice" i Madagasikara ka miara-mientana ho amin'ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-bary eto Madagasikara.
Lien de la version française: www.minae.gov.mg/.../minae-af...
#AfricaRice
#minae
#fofifa

Пікірлер