FKT Tsiadana, Fahasalamana manatona vahoaka

BORIBORITANY FAHA II, FOKONTANY TSIADANA | NANDRAY NY FIZAHAM-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA
Tanterahina ao anatin'ny hateloana eto amin'ny Fokontany Tsiadana , ato anatin'ny Boriboritany II ny fizaham-pahasalamana mitety vohitra, izay karakarain'ny Kaominina Ambonivohitra Antananarivo.
Hatreto, araka ny filazan'Andriamatoa Filohan'ny FKT Tsiadana, Andriamatoa RAMARSON Jean de Dieu dia maro no tonga nizaha fahasalamany teto.
Efa fanao isan-taona izy ity, ary hezahina hitety ny Boriboritany 6 eto Antananarivo, araka ny filazan'ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Kaominina Antananarivo.
Afaka manatona avokoa izay marary rehetra, ary efa misy Dokotera sy fanafody azo raisina eto, raha araka ny fanazavana hatrany
Nangonin' Lay Mahintsy

Пікірлер

    Келесі