Firaisankina Distrika Antananarivo Avaradrano

Nihaona tamin'ireo mpitarika Tiako i Madagasikara sy ny fikambanana AVA avy amin'ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrikan'Avaradrano ny Kandida FIRAISANKINA AVARADRANO androany.
Fotoana nahafahana nanomezana toromarika sy lamina mahakasika ny fifidianana Solombavambahoaka ary nihainoana ny hetaheta sy ny fanehoan-kevitr'ireo mpikatroka.
Nisy ny hafatra avy amin'ny Filoha Marc RAVALOMANANA ,nampitondrainy ny "STAFF technique-ny" manambara ny faharavan'ny DISTIM teo aloha sy ny fitsanganan'ny "Cellule électorale" izay Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA no mitarika azy.
Niditra mivantana tamin'ny antso an-tariby ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana ary nolazainy fa "TSY TOMBOTSOAN'OLON-TOKANA NO JERENA FA TOMBOTSOAN'NY DAHOLOBE !
: Community Manager Firaisankina Avaradrano

Пікірлер

    Келесі