D'Efa tia - Tovo J'Hay - (Clip Officiel)

Музыка

D’efa tia
Efa voatety avokoa ny fotoana
Ireto isika roa dia mbola eo foana
Efa nandalo sedra, tsiky tomany
Izaho mbola eto, ianao koa mbola eo ihany
Ka avelao aho mba hidongy, hitampify
Ho azoniko mafy ianao tsy ho avelako hidify
Ka aza asiana akory fanontaniana
Fa fantatrao ny ato am-poko ry Tiana.
Fa ho Malalako, Anjeliko, fitiavako
Ka hifameno sy hifanjohy…Tsy hifankafoy
Ref: Mahavariana, fa fifaliana,
Rehefa miaraka aminao aho tsy miafy
Tsy voafefy, Tsy voarefy
Fa efa henika fitia ny ato anaty
Rehefa tia, D’efa tia
Mety ho adakadala kely indraindray
Na na inona hanjo, na inona hiseho
Efa fo roa no nitambatr’ iray
Ny tsy hitia anao aloha sanatria
Ny foko efa nanaiky, efa vita sonia
Ny andro maloka, eny mety hitranga
Ny fitiavako anao aloha tsy ataoko misy banga
Tsy hijery hafa aho, tsy ho lavitra ny saiko
F’efa ianao no akaiky ahy, ianao ilay silaky ny aiko
Tsy foiko ho hatakalo, tsy ho foiko ho zaraina
Fa tokana iray anaty fo sy ny saina
A&C: Tovo J’Hay

Пікірлер: 28

  • @lazasoastephanramaherison2787
    @lazasoastephanramaherison27873 жыл бұрын

    Merci Tovo J'hay, efa no niandrasako anty izy mande atram farany 😍😍

  • @tsilavinaandrianavony2140
    @tsilavinaandrianavony2140 Жыл бұрын

    ❤💯Tafiditra ao anatin'ireo hira raitra loatra ôô . Tsy voafefy tsy voarefy Rehefa tia ,tena tia

  • @valisoaeliasmaminomenyidea6635
    @valisoaeliasmaminomenyidea66353 жыл бұрын

    Ankafiziko fona fona!❤

  • @ramihramih6579
    @ramihramih65793 жыл бұрын

    Kay kosa, misaotra ny Mpanakanto sy ny mpizara eee

  • @fenomananamampitasoa2826
    @fenomananamampitasoa28263 жыл бұрын

    Mankafy fona eee. Merci

  • @tianaericandriambolasoa8555
    @tianaericandriambolasoa85553 жыл бұрын

    Mankasitraka tovo a tsara loatra 😍

  • @paulanandrasana6393
    @paulanandrasana63933 жыл бұрын

    Tsara foana eee 😍😍

  • @nirinanoel2093
    @nirinanoel2093 Жыл бұрын

    OUfff! mamy ein 💓💓💓💓💓💓💗💗💗💗💗❤❤❤❤❤❤

  • @herymampionona3808
    @herymampionona38082 жыл бұрын

    Nsooo.... Mamy lotra ny miheno an'ity hira ity

  • @ntsprass6836
    @ntsprass68362 жыл бұрын

    Mafinaritra baina a, tsy miova fa votazon hatrany ilay maha Tovo J'Hay na mitombo ary ny taona, tsara e, tohizo fa mitondra fifaliana ho anay mpakafy ao antin'ity tontolo mozika vary amin'anana be ty e

  • @enokaratsitohaina8306
    @enokaratsitohaina83063 жыл бұрын

    Mafilotra 👏👏👏

  • @narindrarandriamananjara544
    @narindrarandriamananjara5442 жыл бұрын

    lafatra loatra Tovo a!!!

  • @herizoranaivoson9684
    @herizoranaivoson96842 жыл бұрын

    🥰

  • @jerominerazafindrazaka6330
    @jerominerazafindrazaka63303 жыл бұрын

    Tiko ho lamban'akoho eh bisous

  • @safidyrakotondrabary9733
    @safidyrakotondrabary97332 жыл бұрын

    tiako foana ny hiran'i Tovo J'hay

  • @randrianarisoa-catellavoni6530
    @randrianarisoa-catellavoni653011 ай бұрын

    Raitra🎉❤

  • @mijoronyhasina872
    @mijoronyhasina872 Жыл бұрын

    tsara foana izay voasoratra...kanto e

  • @nambinintsoafinaritrarabet115
    @nambinintsoafinaritrarabet1154 ай бұрын

    miakatra izany niveau zany

  • @ainarafy9601
    @ainarafy96012 жыл бұрын

    Tsara be 😊

  • @toarirakoto7644
    @toarirakoto76443 жыл бұрын

    😍😍😍

  • @fabienarthur7203
    @fabienarthur72033 жыл бұрын

    magnifique !

  • @keziakwan9539
    @keziakwan95392 жыл бұрын

    ♥️♥️

  • @user-hu3qf1xm1b
    @user-hu3qf1xm1b2 жыл бұрын

    ❤️😍😘

  • @daniarabenarisoa5025
    @daniarabenarisoa5025 Жыл бұрын

    😍🥰🤩

  • @hermanrazafinarivo4973
    @hermanrazafinarivo49733 жыл бұрын

    tsara b le refrain

  • @emilerigaudin4020

    @emilerigaudin4020

    2 жыл бұрын

    Tsara foana Tovo a!mankasitraka o!

  • @tojoandrytianarafidimanant1012
    @tojoandrytianarafidimanant10123 жыл бұрын

    Mankasitraka hatrany @ aingam-panahy voakajy @ilay hitiavako azy

  • @tafitaandria4795
    @tafitaandria47952 жыл бұрын

    😍😍